Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny. Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô.
Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana. Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.