- Jehovah ô, Hianao no ialofako;
aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho;
vonjeo amin'ny fahamarinanao aho. - Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao;
ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy. - Eo an-tananao ny androko;
Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko
sy izay manenjika ahy. - Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao;
vonjeo amin'ny famindram-ponao aho. - Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao
ho an'ny matahotra Anao!
dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona
ho an'izay mialoka aminao! - Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,
dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Mpanafaka
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fiankinan-doha
Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
sady ho maitso ny raviny,
ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
fa tsy hitsahatra ny famoany.Andinin-teny manaraka !