- Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.
- Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
- Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.
- Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
- Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.
- Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
- Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy.
- Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra.
- Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
- Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Izao tontolo izao
Aza tia izao tontolo...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...