- Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy.
- Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
- Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
- Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.
- Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika.
- Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
- Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny?
- Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.
- Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan'Andriamanitra isika. Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
- Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Manaraka
Ary ny faharoa dia...
Zaza
Nefa Jesosy kosa nanao...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Ray
Tahaka ny fiantràn'ny ray...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.Andinin-teny manaraka !
