- Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy,
mba ho velona ianareo;
Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro,
araka izay efa nolazainareo. - Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo.
- Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano,
ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra. - Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo,
raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. - Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy,
sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany;
Ary miantso ny rano eny an-dranomasina
ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany,
Jehovah no anarany. - Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Mitady
Ary hitady Ahy ianareo...
Famoroana izao tontolo izao
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary...
Fahamasinana
Koa raha manana ireo...
Valisoa
Ary na inona na...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.Andinin-teny manaraka !
