- Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.
- Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
- Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
- Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.
- Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
- Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy.
- Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Faharatsiana
Aza mety ho resin'ny...
Satana
Mahonòna tena, miambena: fa...
Fanahy
Ary ny Tompo izany...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.Andinin-teny manaraka !