DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fahamasinana (2/2)

  • Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany;
    manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra
    Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
    Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra,
    ao amin'ny fonenany masina.
  • Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina", olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga.
  • Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany.
  • Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra.
  • Ny amin'ny Vatolampy, tanteraka ny asany;
    Fa ny lalany rehetra dia amin'ny rariny avokoa.
    Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy;
    Marina sy mahitsy Izy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana