DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Lalàna (5/5)

  • Ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema, araka ny filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
  • Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany, dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
  • Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna,
    Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
  • Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.
  • Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
  • Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy.
  • Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako;
    ary ny lalanao no ato anatiko.
  • Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
  • Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin'izao anio izao.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,
dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana