- Iza no Andriamanitra tahaka Anao,
Izay mamela heloka
Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany?
Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy,
Fa tia famindram-po. - Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah,
Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho;
Andriamanitro no hihaino ahy. - Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara
Sy izay ilain'i Jehovah aminao,
Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po
Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena. - Hamindra fo amintsika indray Izy
Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika,
Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. - Fa ianao, ry Betlehema Efrata,
Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory,
Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray
ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely;
Hatry ny fahagola no efa nivoahany,
dia hatrizay hatrizay.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Famelàn-keloka
Izay te-ho be fitiavana...
Famindram-po
Koa aoka isika hanatona...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Mihaino
Fantatrareo izany, sy rahalahy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto?Ny fitandremana araka ny teninao.Andinin-teny manaraka !