- Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka;
Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena. - Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy;
Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany. - Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana;
Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana. - Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany;
Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. - Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina;
Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza. - Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa;
Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa. - Izay manisy soa olona hohatavezina;
Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Fitabatabana
Ny mpivadibadika mamafy ady...
Fanetren-tena
Amin'ny fanetren-tena rehetra sy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny fo ravoravo mahasalama tsara;Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.Andinin-teny manaraka !