- Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;
Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny. - Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona;
Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana. - Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina;
Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. - Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina;
Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy. - Izay hendry am-po no handray ny didy;
Fa ho lavo ny adala maro vava. - Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky;
Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra. - Ny fankahalana dia manetsika ady;
Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra. - Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana;
Fa mivily izay mandà anatra. - Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga,
Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. - Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota;
Fa izay mahatana ny molony no hendry. - Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina;
Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny. - Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena,
Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany. - Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana;
Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana. - Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny,
Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy. - Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana;
Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Lainga
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah...
Fifaliana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah.Haleloia.Andinin-teny manaraka !
