DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Ray (3/3)

  • Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.
  • Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana, mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
  • Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
  • Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
  • Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.
  • Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
  • Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan'ny tananao izahay rehetra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika,
fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Vaovao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana