- Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
- Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.
- Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
- Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.
- Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
- Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
- Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.
- Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo:
Rainay Izay any an-danitra,
hohamasinina anie ny anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Hatao anie ny sitraponao
etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. - Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay.
- Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
- Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
- Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany.
- Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
- Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.
- Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
- Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
- Sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
- Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
- Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
- Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray.
- Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
- Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
- Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.
- Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
- Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Izao tontolo izao
Aza tia izao tontolo...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Lanitra
Fa ny tenan'ny Tompo...
Fiakarana
Ary rehefa nilaza izany...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.