- Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko;
avy aminy ny famonjena ahy. - Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho. - Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko;
fa Izy no antenaiko. - Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho. - Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro;
ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra. - Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po,
fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Fitsaharana
Mankanesa atỳ amiko, ianareo...
Aina
Kanefa any ianao no...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.