- Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.
- Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.
- Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.
- Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.
- Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
- Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
- Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.
- Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
- Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Fitsanganana amin'ny maty
Hoy Jesosy taminy: Izaho...
Fahafatesana
Hoy Jesosy taminy: Izaho...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Mahasitrana ny torotoro fo IzySy mamehy ny feriny.Andinin-teny manaraka !