Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.
Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory".
Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo. Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah.
Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.