- Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana;
Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. - Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena;
Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara. - Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko;
Dia hihamaro ny taona hiainanao. - Làlam-pahendrena no atoroko anao:
Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho. - Anaka, tandremo ny teniko;
Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
Aza avela hiala eo imasonao izy,
Fa raketo ao am-ponao. - Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana;
Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina. - Esory aminao ny vava mandainga,
Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. - Aoka ny masonao hijery mahitsy,
Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. - Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao,
Dia ho voalamina ny alehanao rehetra. - Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Tenin'Andriamanitra
Izay soratra rehetra nomen'ny...
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Mahatakatra
Antsoy Aho, dia hovaliako...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.Andinin-teny manaraka !
