- Anaka, aza manadino ny lalàko;
Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
Fa andro maro sy taona ela iainana
Ary fiadanana no hanampiny ho anao. - Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana;
Afehezo eo am-bozonao izany,
Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara
Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao. - Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,
Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra,
Fa Izy handamina ny lalanao. - Aza manao anao ho hendry;
Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Dia ho famelombelomana ny nofonao izany
Sy ho fanamandoana ny taolanao. - Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao
Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra. - Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah,
Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
Fa izay tian'i Jehovah no anariny,
Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany. - Sambatra izay olona mahita fahendrena
Sy izay olona mahazo fahalalana. - Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy,
Raha azon'ny tananao atao ihany. - Aza mialona ny olon-dozabe,
Na mifidy izay lalany akory,
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Manomeza
Aoka ny olona rehetra...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina,Fa Hianao no itokiako;
Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako,
Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko?ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
Manantenà an'Andriamanitra,
fa mbola hidera Azy ihany aho,
Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.Andinin-teny manaraka !
