- Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah,
ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa. - Tia fahamarinana sy rariny Izy;
henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany. - Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra;
ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra. - Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny,
dia ny olona nofidiny ho lovany. - Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy,
dia izay manantena ny famindram-pony. - Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay
araka ny anantenanay Anao.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Tenin'Andriamanitra
Izay soratra rehetra nomen'ny...
Fahamarinana
Izay mandeha tsy misy...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako,Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko,
Sy tahaka ny erika amin'ny ahi-maitso
Ary ny ranonorana amin'ny anana.
