- Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho;
ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. - Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy
ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra. - Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah
ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra. - Andramo ka izahao fa tsara Jehovah;
sambatra izay olona mialoka aminy. - Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana.
Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory. - Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy
ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. - Halaviro ny ratsy, manaova soa;
mitadiava fihavanana, ka araho izany. - Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. - Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa,
mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy. - Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
- Maro ny fahorian'ny marina;
nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany. - Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony,
ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Mihaino
Fantatrareo izany, sy rahalahy...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Faharatsiana
Aza mety ho resin'ny...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Mitady
Ary hitady Ahy ianareo...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy,sady misaintsaina ny marina ny fony;
Tsy manendrikendrika amin'ny lelany,
sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.Andinin-teny manaraka !