- Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;
Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny. - Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy?
Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao;
Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho,
avy amiko no hahazoana ny vokatrao.
Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany?
Na manan-tsaina mba hahalala izany?
Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah,
ary ny marina no mizotra eny aminy;
Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy. - Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala,
Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga. - Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Mahatakatra
Antsoy Aho, dia hovaliako...
Saina
Saino ny zavatra any...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Tenin'Andriamanitra
Izay soratra rehetra nomen'ny...
Hatezerana
Tezera, fa aza manota...
