- Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry,
Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina. - Be saina izay mahatsindry fo;
Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany. - Satria izay be fahendrena dia be alahelo,
ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana. - Sambatra izay olona mahita fahendrena
Sy izay olona mahazo fahalalana. - Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana;
Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.
Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy. - Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. - Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao;
Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana,
Ka tsy ho foana ny fanantenanao. - Làlam-pahendrena no atoroko anao:
Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho. - Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!
- Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry;
Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza. - Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana;
Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. - Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany;
Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy. - Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry;
fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany. - Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.
- Mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy.
- Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah,
mamelombelona ny fanahy;
mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah,
mahahendry ny kely saina. - Anaka, raha hendry ny fonao,
Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko. - Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany;
Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. - Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa;
Fa ny hendry kosa manindry fo. - Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana,
Ary ny vavany mihantsy kapoka. - Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina,
Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy. - Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay;
Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry. - Miverena ianareo hihaino ny fananarako;
Indro, haidiko aminareo ny fanahiko,
Ary hampahafantariko anareo ny teniko. - Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
- Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy;
Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Mahatakatra
Antsoy Aho, dia hovaliako...
Saina
Saino ny zavatra any...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Tenin'Andriamanitra
Fa velona sy mahery...
Hatezerana
Tezera, fa aza manota...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy;Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko;avy aminy ny famonjena ahy.Andinin-teny manaraka !