- Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
- Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza,
tsy hatahotra ny foko;
na dia misy ady mihatra amiko aza,
dia hatoky ihany aho. - Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona hatao tahaka ny ahitra.
- Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao
ho an'ny matahotra Anao!
dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona
ho an'izay mialoka aminao! - Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.
- Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
- Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra.
- Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy;
Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory. - Fa ny fanaon'ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an'ala ireny, dia asan-tànan'ny mpiasa amin'ny famaky; Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany. Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Herim-po
Ary Jehovah no mandeha...
Fankaherezana
Ary Jehovah no mandeha...
Ahiahy
Aza manahy na inona...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô;ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Mampahatanjaka ny reraka Izy,ary izay kely hery dia omeny hery be.Andinin-teny manaraka !