DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

1 Korintiana

  • Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po.
  • Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.
  • Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.
  • Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
  • Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.
  • Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
  • Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
  • Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
  • Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
  • Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana