DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny marina

  • Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.
  • Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy;
    Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany.
  • Ny hanao izay marina sy mahitsy
    No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
  • Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
  • Sambatra ny madio am-po;
    fa izy no hahita an'Andriamanitra.
  • Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
  • Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.
  • Ny mpivadibadika mamafy ady;
    Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
  • Aleo ny kely omban'ny fahamarinana
    Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.
  • Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy;
    Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany
    dia amin'izay olona manao sain-dratsy.
  • Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.
  • Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy,
    Raha azon'ny tananao atao ihany.
  • Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga;
    Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
  • Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona;
    Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.
  • Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.
  • Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra;
    Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
  • Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
  • Aoka ny masonao hijery mahitsy,
    Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
  • Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny
    Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
  • Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
  • Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
  • Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany? Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.
  • Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an'i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin'i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana kolikoly.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana