- Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.
- Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro".
- Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.
- Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
- Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo".
- Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.
- Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.
- Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
- Fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho".
- Tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Fijaliana
Ary tsy izany ihany...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Fanetren-tena
Amin'ny fanetren-tena rehetra sy...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga;Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
