- Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.
- Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
- Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.
- Tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.
- Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
- Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina,
Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany,
Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy. - Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo?
- Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo.
- Fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.
- Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fanetren-tena
Amin'ny fanetren-tena rehetra sy...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Faharatsiana
Aza mety ho resin'ny...
Hatsàra
Tsara avokoa izato bikanao...
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.Andinin-teny manaraka !
