- Ary, indro, efa handeha ho amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
- Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho. - Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.
- Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
- Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
- Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.
- Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako;
ary ny lalanao no ato anatiko.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fifaliana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Aina
Kanefa any ianao no...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany,Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.Andinin-teny manaraka !
