- Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho. - Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo;
madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso. - Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.
- Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
- Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
- Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.
- Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako;
ary ny lalanao no ato anatiko.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fifaliana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Aina
Kanefa any ianao no...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ity no andro nataon'i Jehovah;Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.
