- Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
- Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
- Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
- Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany; fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.
- Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
- Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.
- Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.
- Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
- Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.
- Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
- Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
- Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.
- Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.
- Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fakam-panahy
Tsy misy fakam-panahy nahazo...
Mihaino
Fantatrareo izany, sy rahalahy...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Lafatra
Izay mandeha tsy misy...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra,Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.Andinin-teny manaraka !