- Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.
- Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.
- Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
- Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.
- Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
- Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
- Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.
- Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa.
- Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
- Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Fiadanana
Hitahy anao anie Jehovah...
Fanetren-tena
Amin'ny fanetren-tena rehetra sy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.