DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Mihaino (2/2)

  • Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy
    ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.
  • Anaka, tandremo ny didin-drainao,
    Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
  • Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah,
    Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho;
    Andriamanitro no hihaino ahy.
  • Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.
  • Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
  • Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
  • Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina,
    Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany,
    Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy.
  • Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
    Tompo ô, henoy ny feoko;
    Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.
  • Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah
    ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.
  • Izay tia fananarana no tia fahalalana;
    Fa izay mandà anatra dia biby.
  • Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
  • Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
  • Dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany; satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
  • Hampahery ny taranak'i Joda Aho,
    Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko,
    Satria mamindra fo aminy Aho,
    Ka ho toy izay tsy nariako izy;
    Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.
  • Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna,
    Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
  • Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;
Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana