- Sambatra ny mahitsy lalana,
Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah. - Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony
Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra. - Hidera Anao amin'ny hitsim-po aho
Amin'ny ianarako ny fitsipikao marina. - Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto?
Ny fitandremana araka ny teninao. - Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao;
Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho. - Ato am-poko no iraketako ny teninao,
Mba tsy hanotako aminao. - Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako,
Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra. - Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko;
Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao. - Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao,
Fa tsy ho amin'ny fieremana. - Ary handeha amin'ny malalaka aho;
Fa ny didinao no tadiaviko. - Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra,
Amin'ny fitandremana ny didinao. - Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao;
Fa ireny no amelomanao ahy. - Fanilon'ny tongotro
Sy fanazavana ny lalako ny teninao. - Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao,
Satria fifalian'ny foko izany. - Fiereko sy ampingako Hianao;
Ny teninao no andrasako. - Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao
Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina. - Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako;
Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. - Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao;
Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. - Be fiadanana izay tia ny lalànao,
Ary tsy misy mahatafintohina azy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Tenin'Andriamanitra
Fa velona sy mahery...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Mitady
Ary hitady Ahy ianareo...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô!aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.