Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly, tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.
Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
Ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema, araka ny filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.