DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fivavahana (3/3)

  • Mitsangàna, Jehovah ô;
    Andriamanitra ô, atsangano ny tananao,
    aza manadino ny ory.
  • Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra.
  • Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.
  • Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,
    ary mihainoa ny fitarainako;
    aza mangina amin'ny ranomasoko
    fa vahiny aminao aho
    sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
  • Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.
  • Ary mamelà ny helokay tahaka
    ny namelanay izay meloka taminay.
  • Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
  • Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy,
    fa manafaha anay amin'ny ratsy.
  • Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
  • Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
  • Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
  • Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna,
    Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
  • Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
  • Hampahery ny taranak'i Joda Aho,
    Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko,
    Satria mamindra fo aminy Aho,
    Ka ho toy izay tsy nariako izy;
    Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.
  • Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
  • Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.