DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fivavahana (2/3)

  • Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.
  • Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
  • Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko;
    maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.
  • Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro,
    ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy,
    dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko.
  • Jehovah ô, henoy ny fivavako,
    ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao;
    Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.
  • Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
  • Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
  • Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina,
    Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany,
    Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy.
  • Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah;
    Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
  • Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin'i Jesosy Kristy.
  • Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo:
    Rainay Izay any an-danitra,
    hohamasinina anie ny anaranao.
    Ho tonga anie ny fanjakanao.
    Hatao anie ny sitraponao
    etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
  • Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
  • Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko
    samy hankasitrahana eo imasonao,
    Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
  • Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah
    ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.
  • Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
  • Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
  • Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy.
  • Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena.
  • Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
  • Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
  • Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
  • Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao.
  • Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra.
  • Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako,
    satria nomenao fahendrena sy hery aho,
    ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao;
    fa nampahafantarinao anay ilay nofin'ny mpanjaka.
  • Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.

Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo.
Hamantatra bebe kokoa...