Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.
Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.
Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.
Dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.