DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Joba

  • Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany.
    Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
  • Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy,
    ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy.
  • Ny didin'ny molony tsy mba nialako;
    Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.
  • Fa mahalala ny lalana falehako Izy;
    Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
    Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany;
    Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
  • Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
  • Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah.
  • Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
  • Efa nampanekeko ny masoko;
    Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?
  • Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra,
    koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha.
  • Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.