- Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy,
ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy. - Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany.
Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy. - Ny didin'ny molony tsy mba nialako;
Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako. - Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
- Fa mahalala ny lalana falehako Izy;
Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany;
Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho. - Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah.
- Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
- Efa nampanekeko ny masoko;
Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? - Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra,
koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha. - Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Ahiahy
Aza manahy na inona...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fijaliana
Ary tsy izany ihany...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Mpamonjy
Izao no fitiavana: tsy...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra,ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa Jehovah no manome fahendrena;Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.Andinin-teny manaraka !
