- Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.
- Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
- Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
- Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro;
ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra. - Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
- Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
- Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby.
- Koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.
- Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany. - Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
- Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
- Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny
Katsaho mandrakariva ny tavany. - Jehovah no hahatanteraka ny amiko;
Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao;
Aza mahafoy ny asan'ny tananao. - Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah,
izany no hotadiaviko,
dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah
amin'ny andro rehetra hiainako,
mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah
sy mandinika ny tempoliny. - Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena.
- Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona.
- Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.
- Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro;
Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy
Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena. - Raha tsy Jehovah no manao ny trano,
Dia miasa foana ny mpanao azy.
Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna,
Dia miari-tory foana ny mpiambina. - Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
- Iza moa no nanao sy nahavita izany,
sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha?
Izaho Jehovah no voalohany,
ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy. - Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.
- Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra;
hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho,
hisandratra amin'ny tany Aho. - Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
- Mitahy antsika Andriamanitra;
ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...
Lanitra
Fa ny tenan'ny Tompo...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy;Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.