- Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra,
Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao,
Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. - Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy;
Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy. - Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
- Mitahy antsika Andriamanitra;
ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra. - Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!
- Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
- Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
- Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano
an'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. - Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah?
ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? - Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
- Sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
- Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana.
Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory. - Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy,
dia izay manantena ny famindram-pony. - Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
- Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay,
eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby. - Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
- Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.
- Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
- Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao
hatrany amin'ny tany Egypta,
ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao,
sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. - Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny,
dia ny olona nofidiny ho lovany. - Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
- Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.
- Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
- Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...
Lanitra
Fa ny tenan'ny Tompo...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...