- Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao
hatrany amin'ny tany Egypta,
ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao,
sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. - Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny,
dia ny olona nofidiny ho lovany. - Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
- Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
- Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
- Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
- Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
- An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.
Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. - Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra.
- Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.
- Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
- Ho faly sy ho ravoravo aminao aho;
hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô. - Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah?
Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? - Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.
- Nefa any an-danitra Andriamanitsika;
Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy. - Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
- Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina;
Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina,
ary ny mazava mitoetra ao aminy. - Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy,
sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany;
Ary miantso ny rano eny an-dranomasina
ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany,
Jehovah no anarany. - Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly,
Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina. - Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
- Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo.
- Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
- Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
- Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.
- Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...
Lanitra
Fa ny tenan'ny Tompo...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ho faly sy ho ravoravo aminao aho;hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô.