Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
Fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.
Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.
Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra.
Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona.
Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.