- Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo).
- Nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
- Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany.
- Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
- Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
- Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
- Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.
- Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
- Fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, fa ny rà soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina.
- Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?
- Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra.
- Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro.
- Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
- Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.
- Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
- Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
- Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
- Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
- Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.
- Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.
- Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.
- Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
- Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
- Eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy.
- Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Ray
Tahaka ny fiantràn'ny ray...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Fanomboana
Ary Izy nitondra ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
