Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka, Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby.
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka. Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.