- Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.
- Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.
- Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
- Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako,
Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra. - Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.
- Tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
- Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina,
Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy. - Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
- Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.
- Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana.
- Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra.
- Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo;
madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso. - Anaka, raha hendry ny fonao,
Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko. - Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
- Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
- Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy.
- Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy;
Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana. - Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao.
- Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
- Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana;
Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana. - Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
- Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka.
- Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;
Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny. - Maina ny voaloboka,
malazo ny aviavy,
ary malazo koa ny ampongaben-danitra
sy ny rofia ary ny poma aza,
dia ny hazo rehetra any an-tsaha;
Eny, malazo ny fifalian'ny zanak'olombelona. - Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Hanina
Fa mahafa-po ny fanahy...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fisaonana
Mitaraina ny marina, ary...
