DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fitiavana (5/5)

  • Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.
  • Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
  • Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra,
    Fa ny anaranao ihany,
    Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
  • Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
  • Ary ny fonareo no triatriaro,
    fa aza ny fitafianareo,
    ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo;
    Fa mamindra fo sy miantra Izy,
    mahari-po sady be famindram-po
    ary manenina ny amin'ny loza.
  • Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.
  • Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah
    Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
  • Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany,
    ary tsy ny sandriny no namonjy azy;
    fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao
    ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
  • Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
  • Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
  • Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po,
    fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho;
hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana