DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Izao tontolo izao (2/2)

  • Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
  • Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao
    ho an'ny matahotra Anao!
    dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona
    ho an'izay mialoka aminao!
  • Ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.
  • An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.
    Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
  • Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
  • Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
  • Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.
  • Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
  • Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
  • Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
  • Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany.
  • Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
  • Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray.
  • Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.
  • Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo:
    Rainay Izay any an-danitra,
    hohamasinina anie ny anaranao.
    Ho tonga anie ny fanjakanao.
    Hatao anie ny sitraponao
    etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
  • Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô,
    Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.
  • Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô!
    aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
  • Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.
  • Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao.
  • Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra.
  • Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
  • Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.
  • Mankalazà an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony;
    Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany.
  • Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany; na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana