DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Jesosy (2/8)

  • Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
  • Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
  • Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
  • Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.
  • Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
  • Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.
  • Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
  • Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
  • Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
  • Fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy.
  • Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
  • Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
  • Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
  • Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.
  • Fa Zaza no teraka ho antsika,
    Zazalahy no omena antsika;
    Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony,
    ary ny anarany atao hoe
    Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery,
    Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.
  • Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra; ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra.
  • Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
  • Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
  • Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo).
  • Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
  • Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany.
  • Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.
  • Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
  • Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy;
    lehilahy ory sady zatra ny fahoriana,
    Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy;
    natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
  • Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy;
Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;
Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana