- Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina,
Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo. - Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema.
- Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra;
ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra. - Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina;
Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. - Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala,
Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga. - Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga,
Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. - Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
- Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina;
Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny. - Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho;
ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. - Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.
- Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah,
eny, Andriamanitro no nitarainako;
nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy,
ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny. - Ny didin'ny molony tsy mba nialako;
Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako. - Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
- Fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.
- Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain'i Jehovah? Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
- Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga;
Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. - Dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
- Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe:
Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany,
ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany.
Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. - Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
- Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho;
hanambara ny fahagaganao rehetra aho. - Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py
Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. - Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
- Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
- Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany; na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.
- Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lainga
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Fitabatabana
Ny mpivadibadika mamafy ady...
Fahamarinana
Izay mandeha tsy misy...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
