- Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina,
Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo. - Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
- Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala,
Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga. - Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina;
Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. - Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
- Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina;
Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny. - Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho;
ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. - Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga,
Ary izay mampiely endrikendrika dia adala. - Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
- Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.
- Ny didin'ny molony tsy mba nialako;
Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako. - Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah,
eny, Andriamanitro no nitarainako;
nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy,
ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny. - Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
- Fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.
- Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain'i Jehovah? Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
- Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga;
Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. - Dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
- Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe:
Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany,
ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany.
Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. - Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
- Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho;
hanambara ny fahagaganao rehetra aho. - Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.
- Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py
Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. - Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
- Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.
- Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany; na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lainga
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Fitabatabana
Ny mpivadibadika mamafy ady...
Fahamarinana
Izay mandeha tsy misy...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.Andinin-teny manaraka !