- Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.
- Toho-tantely ny teny mahafinaritra,
Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana. - Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany;
Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany. - Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy. - Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko
samy hankasitrahana eo imasonao,
Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy. - Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana,
Fa ta-haneho izay ao am-pony. - Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga,
Eny, amin'ny lela mamitaka. - Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany;
Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. - Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana,
Ary ny vavany mihantsy kapoka. - Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa;
Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona. - Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy;
Fa ny teny soa no mahafaly azy. - Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.
- Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
- Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy
ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. - Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
- Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
- Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady;
Fa ny adala rehetra kosa misafoaka. - Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra,
noho ny fitarainako mandrakariva. - Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana;
Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka. - Esory aminao ny vava mandainga,
Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. - Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy.
- Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema.
- Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
- Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
- Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina,
Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lainga
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Fitabatabana
Ny mpivadibadika mamafy ady...
Fahamarinana
Izay mandeha tsy misy...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Raha be ny ahiahy ato anatikoDia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.Andinin-teny manaraka !
