- Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?
- Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
- Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.
- Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao;
Fa ireny no amelomanao ahy. - Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako,
Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra. - Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany. Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
- Efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin'ny didinao sy ny fitsipikao izahay.
- Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
- Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
- Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.
- Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentilisa, nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.
- Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana?
- Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy.
- Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao,
Fa tsy ho amin'ny fieremana. - Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
- Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
- Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy;
Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty. - Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
- Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny,
Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy. - Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao;
Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. - Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.
- Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
- Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
- Anaka, aza manadino ny lalàko;
Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
Fa andro maro sy taona ela iainana
Ary fiadanana no hanampiny ho anao. - Ary handeha amin'ny malalaka aho;
Fa ny didinao no tadiaviko.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Manaraka
Ary ny faharoa dia...
